Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Me Rasamimaka M.: “Hojerena ny olan’ny vadintany”

Me Rasamimaka M.: “Hojerena ny olan’ny vadintany”

Voafidy ho filohan’ny fikambanan’ny vadintany sy ny mpanao lavanty ny Me Rasamimaka  Mahefalahy. Natao ny 19 sy 20 jolay teo tetsy amin’ny ENMG, Tsaralalàna, ny fivoriambe fanao isaky ny telo taona eo anivon’ny fikambanan’ny vadintany. Teo koa ny fifidianana ny birao nasionaly. Mazava ny fanamby napetraky filoha, ny Me Rasamimaka  Mahefalahy,  taorian’ny nahavoafidy azy. “Fifandraisana, fandrosoana, fahendrena, fahamendrehana, fisandratana, fahaizana, fifandraisana amin’ny any ivelany sy ny anatiny ary ny fanomanana

ny hoavin’ny vadnitany aorian’ny fisotroan-drononony”, hoy  izy. Nivoitra nialoha ny  fifidianana ny filazana fa ilaina ny olona mahafehy ny asa maha vadintany sy mpanao lavanty.  Tsy mijanona eo anefa izany fa ilana fahaizana politika izany.  “Mba ho mora fiarovana antsika eo amin’ny asantsika. Ilaina fahasahiana manoloana ny tsindry mahazo antsika amin’ny fanatanterahana ny asa fa tsy hoe akory hobaikoin’ny mpanao politika”, hoy ireo nampandany ity filoha ity.  Tsiahivina fa nahatratra 105 ireo mpizaika nandray anjara nandritra ny fifidianana ny birao. Dimy mianadahy kosa ny kandidà nisafidianana.

Sajo

 

Les commentaires sont fermées.