Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mahatsinjo –Tsaratanàna: jiolahy efatra maty voatifitra, basy Baikal roa azon’ny zandary

Mahatsinjo –Tsaratanàna: jiolahy efatra maty voatifitra, basy Baikal roa azon’ny zandary

Maty rotiky ny bala ny jiolahy efatra taorian’ny fifandonana tamin’ny zandary, ny alarobia sy alakamisy lasa teo, tao amin’ny fokontany Mahatsinjo, kaominina ambanivohitra Andriamena, distrikan’i Tsaratanàna. Tratra tany amin’izy ireo koa ny basim-borona, marika Baikal miisa roa niaraka tamin’ny bala maromaro sy moara. Ny fikaroham-baovao no nandrenesan’ny zandary fa misy andian-jiolahy miomana hanafika ka mivory ao Sahamamy, fokontany Mahatsinjo, ny alarobia 18 jolay 2018 maraina. Nidina tao amin’ilay toerana voatondro avy hatrany ny zandary ka indreo tokoa nisy dimy lahy manomana paikady rehetra momba ilay fanafihana. Nitifitra avy hatrany ireo jiolahy raha vao nahatazana ny zandary ka raikitra ny fifampitifirana. Tafatsoaka ny roa raha maty voatifitra kosa ny telo ary tratra teo ny basy lava iray sy ny moara miisa telo ary finday iray. Nisy antso avy amin’ny jiolahy iray hafa naman’izy ireo anefa tamin’io finday io izay nanontany hoe “aiza ianareo amin’ilay mission-tsika” ka nanaovan’ny zandary vela-pandrika. Ny ampitson’io (alakamisy io) tamin’ny 9 ora sy 50 mn, nanatona ny toerana nifanomezana taminy ao Mahasoa, fokontany Bemavo, ny zandary hisambotra azy kanjo tsikariny ka nitifitra ireo zandary izy. Niaro tena ny zandary ka lavo nandritra ny fifampitifirana ilay jiolahy. Basy iray koa miampy bala miisa valo ary moara iray no azo tany aminy taorian’ny fifandonana.

Rava, noho izany, ny fanafihan-jiolahy nokasain’ireto andian-jiolahy ireto hatao tany amin’ny kaominina Andriamena sy ny manodidina. Isan’ireo nampitondra faisana iny toerana iny ary manerana ny distrikan’i Tsaratanàna.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.