Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra vehivavy – «Division elite»: tompondakan’ny fihodinana faharoa ny Askam

Kitra vehivavy – «Division elite»: tompondakan’ny fihodinana faharoa ny Askam

Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, ho an’ny fihodinana faharoa, ny Askam Itasy, eo amin’ny baolina kitra vehivavy «Division elite». Tsy resy mihitsy ity ekipan’Itasy ity, nanomboka hatrany am-boalohany ka hatreo amin’ny lalao farany nataony,  omaly alahady, teny amin’ny kianja Carion Manjakandriana.

Mbola nanaporofo izany indray izy ireo, tamin’ny nandreseny ny Mifa Analamanga, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0. Tetsy ankilany, nomontsanin’ny Ascuf Matsiatra Ambony, tamin’ny isa mavesatra 5 no ho 0, ny Som avy any Boeny. Tamin’ny isa 3 no ho 1 kosa ny nanilihan’ny AC Sab-Nam ny Prescoi. Mbola nahazo ny fahombiazana ho azy ihany koa ny Asot Analamanga, rehefa nandresy ny AS Comato Atsimo Andrefana, tamin’ny isa mazava 3 no ho 0.

Dingana manaraka ho an’ny mpilalao ny fampivondronana, hanomanana ny “Cosafa cup”, hatao atsy Afrika Atsimo, ny volana aogositra ho avy izao. Any amin’ny volana oktobra vao hiditra amin’ny dingana fahatelo ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “Division elite”, sokajy vehivavy, ity.

Torcelin

Les commentaires sont fermées.