Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fondation Telma: nizarana PPN ny eny Andranofeno Atsimo

Fondation Telma: nizarana PPN ny eny Andranofeno Atsimo

Manodidina ny 70 ireo fianakaviana sahirana nizaran’ny Fondation Telma kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro eny amin’ny fokontany Andranofeno Atsimo, ny faran’ny herinandro teo.

Nangonina nandritra ny hetsika “Courses du Cœu”r andiany faha-10 ity nozaraina ity. Hatramin’ny tana 2015 no efa nanaovana izao tolo-tanana ho an’ny ankohonana 70 eny Andranofeno Atsimo izao.

Nahazo vary fotsy 6 kg, sira, « sardine », paty, savony ary biskoy avy ireo fianakaviana ireo hanampiany ny eo an-tanany. Nisitraka izany koa ny sekoly sy ny toeram-pitsaboana eny an-toerana.

Notoloran’ny Fondation Telma vary sy ronono ary paty miaraka amin’ny kojakoja fidiovana toy ny savony…, ny tompon’andraikitry ny toerana eny Andranofeno hanampiana azy ireo ho tia fahadiovana.

Natao hanampiana ireo ankizy zanaky ny finakaviana sahirana ny hetsika “Courses su Cœur”. Hanentanana ny malala-tanana rehetra hanohana ireo fikambanana miahy ny ankizy sahirana manerana ny Nosy izany.

Hatao isaky ny enim-bolana ny fanangonana ny tolo-tanana hatao amin’ireo tsena lehibe

sy amin’ny sekoly sasany eto Antananarivo.

Tsiahivina fa ireo fianakaviana tsy nanan-kialofana teto Antananarivo ireo nafindra eny amin’ny fokontany Andranofeno Atsimo ireo mba hanana fihariana sy hahavelon-tena ary hanana fonenana vaovao eny an-toerana.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.