Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fifidianana filoham-pirenena: hampanao sonia ireo ho kandidà ny CFM

Fifidianana filoham-pirenena: hampanao sonia ireo ho kandidà ny CFM

Mihevitra ny hampanao sonia  ireo ho kandidà amin’ny fifidianana  filoham-pirenena koa ny eo  anivon’ny Komitin’ny fampihavanana malagasy, (CFM). Tafiditra amin’ny  fametrahana fitoniana eto amin’ny  firenena  izany, araka  ny nambaran’izy ireo.

“Zava-dehibe ho an’ny firenena izany fahatoniana izany. Na amin’ny andavanandro na amin’ny fifidianana izany, indrindra ny fametrahana ny fampihavanana aty ifotony. Amin’izao fotoana izao, anisan’ny apetraky ny lalàna aminay CFM ny fampanjakana ny fahatoniana ara-politika mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana.”  hoy ny filohan’ny CFM, i Maka Alphonse, momba ny fametrahana fitoniana sy ny fanaovana fampihavanam-pirenena,  ny  herinandro teo  tetsy Anosy.

Anisan’ny hevitra voizina amin’izao fotoana izao koa ny amin’ny fanorenana ifotony.  “Manome toky izahay, satria ao anatin’ny vaomiera iray eo anivon’ny CFM ny fanorenana ifotony ny firenena sy ny Repoblika. Koa handray ny andraikitray mifanandrify amin’izay izahay. Takina izy io ary tsy maintsy atao”, hoy izy.

Hihaona amin’ireo kandidà  hametraka fanorenana ifotony…

Hanatona ireo kandidà izay mirotsa-kofidina ho filohan’ny Repoblika ny CFM mba hahazoana mametraka izay resaka fanorenana ifotony izay, ary hampanao sonia ireo kandidà rehetra ireo. Satria tsy maintsy ny iray amin’izy ireo no ho voafidy ho filohan’ny Repoblika. Mba hahazoana manao fifanakalozan-kevitra nasionaly hahazoana mandinika ny tena  fanorenana ifotony amin’ny saina tony sy ao anatin’ny filaminana tanteraka.

R.Nd.

 

Les commentaires sont fermées.