Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiainam-piangonana: 30 taona ny maha mpitandrina an-dRazafiniarivo Fidison M.

Fiainam-piangonana: 30 taona ny maha mpitandrina an-dRazafiniarivo Fidison M.

Fanamarihana tsotra dia tsotra ny niheverany azy, saingy azo lazaina ho nanetriketrika tokoa ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-30 taona maha mpitandrina an-dRazafiniarivo Fidison Maxime mivady, tetsy amin’ny Fiangonana Tranovato Ambatonakanga, omaly. «… Nefa tsy izaho fa ny fahasoavan’Andriamanitra no niara-niasa tamiko ». Io tenin’ny Soratra Masina, ao amin’ny I Kor. 15, 10d, io ny nofidin’izy mianakavy nanompanana ity fotoan-dehibe eo amin’ny fiainan’izy ireo ity. Tonga nanotrona sady nizara ny tenin’Andriamanitra ny solontenan’ny foibe FJKM, tamin’ny alalan’Atoa sekretera jeneraly teo aloha, ny mpitandrina Marinasy, niaraka amin’ny KMLM, ny Setela,… Nitarika ny fanompoam-pivavahana ny filohan’ny synodam-paritany Iarivo Avaradrano (SPIA 19), ny mpitandrina Rabetokotany Miharilaza, notronin’ny avy ao amin’ny Sefala, ny Fimampi,… Teo koa, mazava loatra, ireo kristianina maro ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga, notarihin’ny biraom-piangonana, ny fikambanan’ny loholona sy diakona, ny sampana, ny rantsana, ny vaomiera, ny komity, ny fikambanana, sns. “Ho feno fifaliana sy fiadanana anie ny fonareo, ary hamonto sy hanenika ny fiainanareo rehetra ny fitahian’Andriamanitra, Ilay mpamaly soa”, hoy ny mpitandrina Razafiniarivo Fidison Maxime, raha naneho fisaorana ny rehetra.

Mamy Randrian

Les commentaires sont fermées.