Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Atletisma – “Mada Jeune”: nanjakan’ny ligin’Atsimo Andrefana ny fifaninanana

Atletisma – “Mada Jeune”: nanjakan’ny ligin’Atsimo Andrefana ny fifaninanana

Nifarana, omaly teny amin’ny kianja Alarobia, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja atletisma, ho an’ny sokajy tanora. Tsy nisy ny zava-bita tsara montsana, na teo aza ny habetsahan’ireo tanora nifaninana, tamin’ity. Na izany, nanjakan’ny ligin’Atsimo Andrefana ny fifaninanana. Norombahin’izy ireo mantsy ny laharana voalohany. Noraofin’ny klioba 3FB Analamanga daholo kosa ny medaly teo amin’ny atleta mendrika, tamin’ity taona 2018 ity.

Nambaran’ireo atleta fa anisan’ny tena sakana, tsy nahafahan’izy ireo nanatsara ny fe-potoany, ny haratsian’ny toetr’andro. Voamarika kosa fa efa nihena ny fisian’ny hala-taona, tamin’ity fifaninanam-pirenena ity. Hitohy amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy rehetra kosa, hanomboka ny zoma 27 ka hatramin’ny 29 jolay ho avy izao, ny fifaninanana. Etsy amin’ny kianja Alarobia hatrany ny hanatontosana izany. Tonga teny an-toerana, nanatrika ity fifaninanam-pirenena ity, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, i Faratiana Tsihoara Eugène, nijery ifotony ireo fotodrafitrasa. Nambaran-dRamanantsoa Norolalao, filohan’ny federasiona, fa sambany no nisy minisitra nijery ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena ho an’ny tanora.

Torcelin

Les commentaires sont fermées.