Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Atletisma any Eoropa: misy Malagasy ny ekipan’i Frantsa

Atletisma any Eoropa: misy Malagasy ny ekipan’i Frantsa

Anisan’ireo firenena hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja atletisma, hotanterahina any Berlin, ny 6 ka hatramin’ny 12 aogositra ho avy izao, ry zareo Frantsay. Fantatra izao fa misy atleta malagasy, manatevina ny ekipam-pirenen’i Frantsa, hiatrika izany, eo amin’ny halavirana 4 x 400 m.

Raharolahy Agnes ny anarany. Malagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay satria teraka tany Frantsa ary niaina any hatramin’izay ka hatramin’izao.

26 taona izy ankehitriny ary atleta ao amin’ny klioba Nantes Métropole. 400 m ny halavirana tena manavanana azy. Efa nandrombaka medaly volamena, teo amin’ny 4 x 400 m, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, natao tany Zurich, izy, ny taona taona 2014, sy ny hazakazaka anaty efitrano natao tany Prague, ny taona 2015, teo amin’io halaviran-dalana io hatrany.

52 s 23 ny fe-potoany eo amin’ny 400 m, amin’ny kianja tsy mitafo, raha 52 s 97 kosa ao anaty efitrano. Amin’ity, hiaraka amin’i Estelle Perrossier sy i Elea Mariama Diarra ary i Floria Guei sy i Deborah Sananes izy.

Torcelin

Les commentaires sont fermées.