Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Zon’ny ankizy: mpanao gazety 40 voaofana

Zon’ny ankizy: mpanao gazety 40 voaofana

Mpanao gazety 40 nizara ho andiany roa, avy eto Antananarivo sy avy ao Antsirabe no nofanin’ny Unicef, momba ny zon’ny ankizy, nandritra ny roa herinandro. Nifarana anio, ny fiofanana ho an’ny andiany faharoa. Tanjona ny hanajan’ny mpanao gazety ao anatin’ny fanatanterahana ny asany ny fifanarahana momba ny zon’ny ankizy, izay nosoniavin’i Madagasikara ny taona 1991. Tafiditra ao ohatra ny fanafenana ny momba ny ankizy manana olana na niharan’ny herisetra… Eo ihany koa ny hanomezana sehatra ny ankizy haneho ny heviny sy hahazo ny vaovao sahaza azy. Tsy manome vahana loatra ny ankizy ny karazam-baovao eto amintsika. Sokajiana ho naman’ny ankizy ireo mpanao gazety nofanin’ny Unicef  satria ho lasa mpitondra tenin’ireo ankizy, izay tsy re loatra eo anivon’ny fiarahamonina.

Ankoatra izay, andraikitry ny mpanao gazety koa ny hampahafantatra ny tena zava-misy marina mahakasika ny ankizy. Betsaka ny endrika tsy fanajana ny zon’ny ankizy hita eto amintsika. Santionany ny ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo, ireo manao asa tsy sahaza azy akory…

Fiofanana fahenina nomen’ny Unicef ho an’ny mpanao gazety izao tontosa izao nandritra ny 30 taona niasany teto amintsika.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.