
Fahombiazana, ny andiany faharoa amin’ny volley-ball loisir, nifarana, ny asabotsy lasa teo , teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Voahosotra ho tompondaka, ny tahirimbolam-panajakana, rehefa nandresy ny AS Aro, tompon’ny anaram-boninahitra 2017. Seta 3 no ho 1 (16-25 ; 25-12 ; 25-21 ; 25-15), no nibatan’izy ireo, ny fandresena. Nahazo ny seta voalohany, ny tranom-piantohana, saingy nihoaran’ny tahirimbolam-panjakana izany avy eo. Laharana fahatelo, ny Association des banques, nandavo ny Air Mad, seta 3 no ho 2. Fahadimy, ny Paositra, nanilika ny Ostie, seta 3 no ho 0. Fahafito, ny Datarenty, nampiondrika ny Kaominina Antananarivo renivohitra, seta 3 no ho 2. Fahasivy, ny Esca, nandavo ny Salama, seta 3 no ho 1. Tsiahivina fa Andriantsivahiny Hery (Lem), CTR-n’ny ligin’Analamanga, no tomponandraikitra mpikarakara. “Nitombo ny mpandray anjara, niakatra ihany koa ny lentan’ny fifaninanana, satria nisy ekipa milalao any amin’ny D2, resy tamin’ity. Tanjona, ny hiverenan’ireo orinasa hifaninanana amin’ny lalao ofisialy. Eo koa anefa ny fampilalaovana ireo mpiasa, tsy mba afaka manao izany”, hoy izy. Marihina fa ny volana avrily lasa teo, ny nanombohan’ity fihaonana ity.
Torcelin
Les commentaires sont fermées.