Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

VLM 67ha: hanamafy ny fitoriana an-kira

VLM 67ha: hanamafy ny fitoriana an-kira

Nahafinaritra, namelombelona ny aim-panahy ary nampiala voly ny seho nataon’ny antoko mpihiran’ny Vokovokomanga FLM 67ha, tetsy amin’ny Plaza Ampefiloha, omaly tolakandro. Marobe ireo tonga nanotrona. Niavaka ihany koa ny fampisehoana, izay tafiditra indrindra amin’ny fanamarihana ny faha-15 taona niorenan’ny antoko mpihira.

Ankoatra ny ady amin’ny zava-mahadomelina sy ny toaka, mitory Filazantsara an-kira ny VLM. Izay rahateo no antom-pisian’ny antoko mpihira ao aminy. Ho fanamafisana izay asa fitoriana izay sy ho tsangambaton’ity tsingerin-taona ity, vinavinan’izy ireo ny hividy fiara, araka ny nambaran-dRafanomezantsoa Heriniaina, « chef de chœur ». Mazava ho azy fa hoentina manao fitetezam-paritra sy mamita ireo asa fitoriana any amin’ny fiangonana miara-miasa, izany fiara izany.

Miisa 16 ny hira natolotry ny antoko mpihiran’ny VLM, omaly tolakandro. Anisan’ny nampiavaka ny seho nataon’izy ireo ny dihy sy ny tantara, mampahatsiahy ireo fomba amam-panao sy toetra ary fahazarana, izay samy ratsy, ataon’i satana amin’ity Nosy ity. Mbola eo anefa ny Tompo, vonona handray hatrany ireo mibebaka.

Efa namoaka rakikira roa sy tahirin-kira na DVD iray ary DVD « live » iray ny antoko mpihiran’ny VLM. Heverina ny hanao anaty DVD « live » ny seho natao omaly, araka ny voalazan-dRafanomezantsoa Heriniaina ihany. « Mety mbola hisy ny fampisehoana, mialoha ny hamaranana ny fankalazana ny tsingerintaona, amin’ny volana desambra », hoy izy.

Landy R.

 

Les commentaires sont fermées.