Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Omby efa ho 205 nangalarin’ny dahalo 50 lahy tany Antanimora, kaomina Kotipa, distrika Ivohibe Ihorombe, ny alakamisy teo, tamin’ny 6 ora hariva. Nirefodrefotra ny basy tany an-toerana. Tsy nahatohitra ny fokonolona, lasa ny omby marobe. Tonga tany an-toerana ny zandary telo nanao fanadihadiana. Nampian’ny fokonolona sy ny zama ireo nanao ny fanarahan-dia.  Raikitra ny fifandonana ka dahalo telo maty, fokonolona roa ihany koa ary omby roa. Tafaverina ny omby 173.

Rangahy iray nitondra moto nifatratra tamin’ny fiaran’ny Brinks tany Ambalakida Rn 4 Pk 503, ny zoma lasa teo, tamin’ny 7 ora sy sasany hariva. Maty tsy tra-drano ilay rangahy 42 taona nitondra ilay moto. Vokatry ny fandehanana mafy nahatonga ny loza. Tonga tany an-toerana ny mpitandro filaminana nanao ny fanadihadiana.

 

Les commentaires sont fermées.