Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tenisy – «Circuit ITF U18»: tompondaka Ranaivo Toky

Tenisy – «Circuit ITF U18»: tompondaka Ranaivo Toky

Nitondra avo ny lazan’i Madagasikara indray ny taranja tenisy, sokajy zandriny. Voahosotra ho tompondaka, teo amin’ny “circuit ITF”, U18 lehilahy, “grade 5”, mantsy Ranaivo Toky. Fifaninanana, notanterahina tany Nairobi, Kenya, izay nifarana ny asabotsy lasa teo.

Resin’i Toky, teo amin’ny famaranana, ilay teratany Indianina, i Arjun Channathimmiah Honnappa, laharana faha-655 eran-tany. Seta 2 no ho 0 (6/1 ; 7/5), ny nahazoan’i Toky ny fandresena, tamin’ity. Tsy nampoizin’ity mpifanandrina taminy ity mihitsy ny endri-dalao nasehon’i Toky, tamin’ity.

Avy hatrany mantsy dia tsy nihafihafy fa nanafika sy namezivezy baolina i Toky, raha somary nanao antsirambina ilay Indianina. Tsy naha andrarezina azy mihitsy ny zava-niseho, teo amin’ny seta voalohany. Vokany, tsy nahazo afa-tsy “jeu” iray monja izy.

Teo amin’ny seta faharoa vao niezaka nanohitra saingy efa tafiditra tsara tao anaty lalao i Toky ka tsy namela izany raha tsy azony. Tsiahivina fa nifanindry tamin’ny fitsingerenan-taona nahaterahan’i Toky, ity nahazoany ny ho tompondaka, ity.

Torcelin

Les commentaires sont fermées.