Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taona 2017: 650 ny orinasa madinika niara-niasa tamin’Ambatovy

Taona 2017: 650 ny orinasa madinika niara-niasa tamin’Ambatovy

Nanomboka ny taona 2008 no napetraky ny orinasa mpamokatra nickel sy colbat Ambatovy ny Ambatovy local business initiative (Albi). Tanjona ny hampiroborobo ny orinasa eo an-toerana amin’ny distrika efatra iasan’Ambatovy (Moramanga, Brickaville ary Toamasina I-II), hitondra fampandrosoana amin’ny toekaren’ny distrika, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra iray ao amin’ny orinasa ny herinandro lasa teo, tao Toamasina. 40 ny sehatrasa, ahitana fandaharanasa hanampiana orinasa madinika sy salantsalany ary bitika 650 amin’ny distrika voalaza ny taona 2017.

Ny taona 2017, nahatratra 3,5 miliara dolara ny sandan’ny fifanarahana nataon’Ambatovy niaraka amin’ny sehatra tsy miankina nanomboka ny taona 2007 no ho mankaty.

Orinasa misehatra ny asa tanana toy ny zaitra, ny taotrano,ny fambolena,ny orinasa fanodinana fako ny ankamaroan’izy ireo. Manofana ny tomponandraikitry ny orinasa 12 sy ny mpiasa ao anatiny mandritra ny taona i Albi, ho tsara ny kalitaon’ny tolotra na entana vitany, hanaraka ny filan’Ambatovy. Vina ny hitaran’ny fiaraha-miasa haharitra. Ankoatra ny fanofanana isan-taona, misy fanaraha-maso ataon’ ny orinasa amin’ny sehatra efatra : ny fanajana ny lalànan’ny asa, ny fanarahana ny fenitry ny fahasalamana sy ny aroloza, ny kalitaon’ny vokatra ary ny fitantanam-bola. Nampahafantarina ny politika momba ny ady amin’ny kolikoly avokoa ny orinasa mpiara-miasa 650.

Manomboka amin’ny 26 jolay ka hatramin’ny desambra ho avy izao, hisy fampiofanana ny mpanofana momba ny zon’ny ankizy. Ireo mpanofana no hizara ny fiofanana amin’ny orinasa rehetra.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.