Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Miss” sy “Mister”: lasan’i Toliara sy Antsiranana

“Miss” sy “Mister”: lasan’i Toliara sy Antsiranana

I Christine, avy any Toliara, no lany ho tovovavy mendrika indrindra na “miss”, raha toa ka lasan’ny solontenan’Antsiranana, i Gasol, ny anaram-boninahitry ny tovolahy tsara tarehy sy bikàna na “mister”, tamin’ny dingan’ny famaranana tamin’ity fifaninanana ity. Notanterahina ny asabotsy alina teo, tetsy amin’ny Cask PK0 Antanimena ity dingan’ny famaranana ity.

Nikarakara ny hetsika ny fikambanana Tamiha na «Tanora mitsinjo ny hoavy ».  Tsiahivina fa notanterahina tao amin’ny Bonara Be 67 Ha, ny zoma 6 jolay lasa teo, ny fifanintsanana tamin’ity fifaninanana hatsaran-tarehy ity, izay nandraisan’ny faritany enina teo aloha anjara.

Ankoatra ny filatroana nataon’ireo mpandray anjara, nanafana ny korana, tamin’io asabotsy io, i Yvon Paul sy Selek Stone. Nambaran-dRandriamaro Eva Judith, avy amin’ny Tamiha, fa niniana nampifanojoana tamin’ny fetim-pirenena frantsay mihitsy, 14 jolay, io famaranana io mba hanehoana amin’ireo vahiny ny hakanton’ny tanora malagasy. Samy naneho ny fomba  fitafy mampiavaka ny faritra niaviany ny mpandray anjara tsirairay.

Landy R.

Les commentaires sont fermées.