Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Laharana fahatelo: norombahin’i Belzika ny medaly alimo

Laharana fahatelo: norombahin’i Belzika ny medaly alimo

Voalohany, teo amin’ny tantarany, ny hany mba niakatra lampihazo, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja baolina kitra i Belzika. Resiny, tamin’ny isa, 2 no ho 0, teo amin’ny fiadian-toerana fahatelo, ny Three Lions, avy any Angletera. Fihaonana, notanterahina, ny asabotsy lasa teo, tao amin’ny kianja St Petersbourg, Rosia.

Raha tsiahivina, tsy mbola afa-bela, tamin’i Belzika ny Anglisy. Niray vondrona mantsy izy ireto, nandritra ny fifanintsanana ka resin’i Belzika, tamin’ny isa tokana, ny Anglisy, tamin’izay. Nahavita dingana goavana ny Belza, tamin’ity satria fahefatra ny vokatra tsara vitan’izy ireo, ny taona 1986.

Raha hiverenana, ny lalaon’ny roa tonta, naneho fahavononana handresy hatrany am-boalohany ny demony mena. Porofon’izany, vao nanomboka 4 mn, dia efa nanokatra ny isa, i Thomas Meunier. Io isa tokana io, no nentin’ny roa tonta, niala sasatra.

Teo amin’ny fizaram-potoana faharoa vao nifoha tamin’ny torimasony ny Anglisy, saingy nitavozavoza, teo amin’ny famonoam-baolina, ry Dier sy ry Kane.

Tetsy ankilany, nahay nametraka sy nanafaingana ny fanafihany ny demony mena. Vokany, tafaporitsaka, i Eden Hazard, teo amin’ny minitra faha-82 ka nampiditra ny baolina faharoa.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.