Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra: samy resy ny Jet Mada sy ny Elgeco

Kitra: samy resy ny Jet Mada sy ny Elgeco

Nitranga ny tsy nampoizina, omaly teo amin’ny andro faharoa amin’ny “Thb champions league”, taranja baolina kitra. Tany Vontovorona, lavon’ny Tam Port-Berger, tamin’ny isa tery 2 no ho 1 ny Elgeco Plus. Ny Jet Mada, resin’ny Fosa Jr Boeny, 1 no ho 0. Mitarika izany hatreto, ny Fosa Jr, manana isa 6.

Tany amin’ny kianja Ampasambazaha indray, samy nandresy fanindroany avokoa ny Ajesaia sy ny Cnaps Sport, ka nahazo isa 6. Ny Ajesaia, nanilika ny Akon’Ambatomena, 2 no ho 0 ary nomontsanin’ny Cnaps Itasy, tamin’ny isa mavesatra 6 no ho 0 ny Fils Elephant Anosy. Lavon’ny 3FB Atsimo Andrefana, 1 no ho 0 kosa ny FC Vakinankaratra.

Hitohy ny alarobia 18 jolay, ny andro fahatelo ka eny Vontovorona, hifandona ny Jet Mada sy ny FCA ary ny Fosa Jr Boeny hifampitana amin’ny Tam Port-Berger.

Any Ampasambazaha, hiaona ny FC Vakinankaratra sy ny Akon’Ambatomena ary ny Ajesaia hidona amin’ny Fils Elephant. Ny Cnaps Sport, hikatroka amin’ny 3FB.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.