Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo, resaky ny mpitsimpona akotry: samy mpivavaka

Fety lehibe no nomanin’ny Eglizy Katôlika Malagasy (EKAR) ho fiderana an’Andriamanitra sy fisaorana azy amin’ny fahasoavana azony noho izao fanondrontan’ny Papa François an’ny evekan’ny Toamasina eo amin’ny laharana Kardinaly. Tao Toamasina no nanaovana lanona ho fandraisana an’ny Kardinaly Tsarahazana, naneho ny hafaliany ny vahoaka katôlika malagasy tamin’izany ary angamba maro ihany ny mpiray tanindrazana no niombon-kafaliana tamin’izany fisondrontan’ny iray taminy eo amin’izany toeram-boninahitra izany eo anivon’ny finoana sy fitantanana ara-panahy.

Raha ny Kardinaly mihintsy no nanao ny sorona masina, maro ireo olona manan-kaja no tonga nanotrona an’izany fisantaran’ny Eminence Tsarahazana ny maha kardinaly azy ny fitantanany an’ity diosezy iadidiny araky ny maha eveka azy. Tampony eo amin’ny laharan’ny tompon’andraikitra eto amin’ny EKAR ny fananana an’izany mari-boninahitra Kardinaly izany, noho izany manana ny lanjany manokana ny zava-boalazany. Tsotra ary mivantana hatrany ny fomba fiteniny, mazava noho izay fanambarana fohifohy hatrany fa ny faharatsiana no ataony fahavalo voalohany. Arak’izany dia ny tsy fitsaharana ny fihezahana an’ny faharatsiana no imasoany ary tsy anaiky ho tapenam-bava izy eo amin’ny fanatanterahana an’izany adidy izany. Tafita soa angamba izay fanambarana mifono fampitandremana izay ary antenaina fa samy naharay avokoa. Tsy ny ratsy akory no tsy misy eto amin’ny firenena, samy mahafantatra fa ny haratsina voalazan’ny Kardinaly dia ny faharatsin’ny fanahy sy ny faharatsin’ny toetra. Ireo haratsina ireo anefa dia matetika hita taratra eo amin’ny vokatra aterany, arak’izany tsy tongatonga ho azy ity fahantrana izay naniry fotitra sy mirongatra toy ny zavatra tezaina ity eto amin’ny firenena. Tompo-pahefana ? Tompon’andraikitra noho izany, tsy afa-bela eo amin’ny fiotazana ny vokatra, na mahazo valin’ny fahafaha-po na mizaka ny fanamelohana. Mifehy tena angamba ny raiamandreny am-panahy mikasika ny tsy firobohana mivantana amin’ny fanaovana pôlitika fa tsapa tsara kosa fa tsy hiraviravy tànana izy ireo momban’ny fiarovana ny vahoaka eo amin’ny ady fanositosehana ny aratsi-pitantanana. Mety anaitra angamba izany fiteny hoe aratsim- pitantanana izany, nefa moa raha misy ny filazana hoe fitondrana tsara tantana inona moa no manakana ny fanebahana mivantana amin’ny fiteneanna hoe fitondrana ratsy tantana ? Ireo ny aratsim-bokatra iaraha-mahita, fantatra fa ny aratsim-pitantanana no mahatonga an’izany, ary matetika ny aratsi-panahy, ny aratsi-toetra, no mitambatra ka mitera-doza toy izao.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.