Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fianarantsoa: zandary matin’ny loza tamin’ny moto

Fianarantsoa: zandary matin’ny loza tamin’ny moto

Niharan-doza ny zandary roa nandeha Scooter tany Imandry Tsaramandroso, omaly tamin’ny 12 ora sy sasany alina. Maty tany amin’ny hopitaly ny zandary lietna iray tamin’ireo niharan-doza. Araka ny vaovao avy any amin’ny zandary, nandeha hamonjy toby izy roa lahy ireo io alina io. Niala lalana izy ireo ary nifatratra tao ambany kamiao iray nijanona teo amin’ny ankavanan-dalana. Naratra mafy izy ireo vokatr’izany. Nentina tany amin’ny hopitaly Antambohobe, saingy maty tokony ho tamin’ny 1 ora maraina ilay lietna. Naratra manaraka fitsaboana kosa ny zandary GPHC. Tonga teny an-toerana ny polisy nanao ny fizahana ny loza.

Moto iray ihany koa niharan-doza teny amin’ny By Pass ny asabotsy hariva teo. Nisy fiara nivily tampoka kanefa ilay moto nandeha mafy ka tsy tafala intsony. Nirefotra mafy ny fifandonana ka nipitika tsy nahetsika intsony ilay mpamily. Nentina tany amin’ny hopitaly avy hatrany. Tonga teny an-toerana ny polisy nanao ny famotorana.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.