Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Dome RTA: nafana ny fiarahana tamin’ny coca-cola

Dome RTA: nafana ny fiarahana tamin’ny coca-cola

Saika nanerana ny tanàna sy ireo efitrano rehetra teto Antananarivo, ny fanarahana ny famaranana, niadiana ny ho tompondaka eran-tany “Mondial 2018”, amin’ny baolina kitra, omaly alahady. Anisan’ny nanentana izany ireo tomponandraikitra eo anivon’ny zava-pisotro coca-cola, mpanohana ofisialy ity fihaonana ity.

Tetsy amin’ny Dome RTA, nifanaretsaka ireo mpankafy, na ireo tsy mahafantatra baolina kitra fa liana fotsiny, iaina mivantana izany fetin’ny baolina kitra izany. Mandra-piandry ny fanombohan’ny fihaonana ary koa nandritra ny fialan-tsasatra, teo amin’ny Frantsa sy i Kroasia, nisy ny fampilalaovana sy fifaninanana kely, ho an’ireo mpijery tonga maro, tao an-toerana. Samy nahazoana loka avokoa izany, toy ny baolina, ny fanamiana, sy ny sakaosy. Nizara roa niavaka tsara ny toerana nisy ireo mpomba ny ekipa tsirairay, izay nizarana saina kely teo am-pidirana.

Tetsy an-kilany, nisy koa ny fivarotana sakafo sy zava-pisotro coca-cola. Nandravaka ny lanonana, ny rindran-kira, niarahana tamin’i Stéphanie sy i Shyn.

Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.