Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ceni: Ilaina ny solontenan’ny kandidà

Ceni: Ilaina ny solontenan’ny kandidà

Raikitra ny firosoana amin’ny fanatanterahana ny fifidianana. Aiza ho aiza ireo kandidà na ny solontenany? Ilain’ny Ceni…

“Handray anjara amin’ny fivoriana sy adihevitra rehetra eo anivon’ny Ceni ireo solontenan’ny kandidà izay hotendren’ny kandidà hisolo tena azy ao amin’ny Ceni.” Izay ny fanazavan’ny filoha lefitry ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni), Rakotonarivo Thierry, teny Alarobia, ny faran’ny herinandro teo, momba ny fanomanana sy fanatanterahana ny fifidianana izay mila ny solontenan’ny kandidà eny anivon’ny Ceni sy ny rantsa-mangaikany manerana an’i Madagasikara.

Mpikambana ao anatin’ny Ceni izany ny solontenan’ireo kandidà ofisialy tsirairay avy, mandra-pivoakan’ny voka-pifidianana vonjimaika havoakan’ny Ceni. Ny mahatsara izay fanendrena solontenan’ny kandidà eo anivonn’ny Ceni sy ny rantsa-mangaikany: mipetraka tsara ny fangaraharana.

Mila mihetsika dieny izao ireo kandidà

“Noho izany, manentana sahady izahay eto anivon’ny Ceni amin’izay mieritreritra ho kandidà mba hanomana izay heveriny fa hisolo tena azy ato anatin’ny Ceni amin’ny fikarakarana sy fanatontosana ny fifidianana”, hoy izy.

Heverinn’ny Ceni amin’izany fa hanala ny ahiahy tsy ihavanana amin’izay mety ho fizotran’ny fifidianana ho avy ny fisian’ireo solontenan’ny kandidà ireo ato anatin’ny Ceni foibe sy amin’ny rantsa-mangaika manerana an’i Madagasikara.

Aiza ho aiza ny fiomanan’ireo kandidà sy ny solontenany avy amin’izany? Mahatratra 25 000 any ho any ny biraom-pifidianana. Tsy efa tena antomotra ny fifidianana vao hisambotra olona etsy sy eroa.

R.Nd.

Les commentaires sont fermées.