
Tsy diso anjara, tamin’ny fampilalaovana sy fampiainana mivantana ny famaranana, niadiana ny ho tompondaka eran-tany amin’ny baolina kitra “Mondial 2018”, ny Agence Carré bleu, tamin’ny alalan’ny Bolelchtchik coca-cola. Nalefa mivantana tetsy amin’ny La City Ivandry, tamin’ny “écran géant”, ny fihaonana teo amin’i Frantsa sy i Kroasia.
Nalaina tamin’ny teny rosianina, hoe : mpanohana ny bolelchtchik. Nomena sehatra avokoa ireo mpankafy ny baolina kitra, na ny olon-dehibe tamin’ny fakàna ireo ekipany avy. Ny ankizy kosa nilalao ny “jeux video”. Tsy diso anjara koa ny vehivavy satria afaka nandray anjara tamin’ny fifaninanana isan-karazany, nahazoana loka, avy amin’ny coca-cola, mpanohana ny baolina kitra sy ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa), nanomboka ny taona 1978.
Nampanjakaina teo amin’ny rehetra kosa ilay toe-tsaina “fair-play”. Natao mihitsy izay hisian’ny hafanana amin’ny maha fetin’ny baolina kitra azy ka hametrahana fahatsiarovana goavana, ho an’ity andiany faha-21, ity.
Torcelin
Les commentaires sont fermées.