Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ankadikely Ilafy: jiolahy enina nisaron-tava nanafika tokantrano roa

Miverina indray ny fanafihana mitam-piadiana! Jiolahy enina nisaron-tava nirongo basy, nanafika tokantrano roa samy hafa tany Antanandrano Ankadikely Ilafy, ny alakamisy teo, tokony ho tamin’ny misasak’alina. Nasesin’izy ireo nidirana ireo trano roa ireo. Fandrahonana sy fampitahorana tamin’ny basy no nahazo ireo tompon-trano. Voalaza fa mitovy mihitsy ny fomba nataon’ireo olon-dratsy tamin’ireo trano roa. Nahavita nifindra tao anatin’ny fotoana fohy ireo mpanafika. Tsy nahavita na inona na inona ireo nanoloana izany ka nanaiky izay notadivian’ireo jiolahy. Voaroba ny volabe an-tapitrisany maro tamin’ireo trano roa niampy finday sy batery misa 50. Efa lasa ireo jiolahy vao nisy afaka nampandre ny zandary. Tonga teny an-toerana ireo, nanao ny fanadihadiana ary nanao ny fanarahan-dia.

Fanafihana teny Ambohidratrimo

Nisehoana fanafihana ihany koa teny Antsingintanana Ambohidratrimo, ny alakamisy io ihany tamin’ny 1 ora maraina. Jiolahy enina nirongo basy nanafika tany amina tokantrano iray. Niditra ny varavaram-be ireo jiolahy ka henon’ny tompon-trano. Nitifitra avy hatrany ireo jiolahy, kanefa mba namaly koa ny tompon-trano ka nitsoaka ireo jiolahy. Tsy nahazo na inona na inona ireo olon-dratsy. Tonga teny an-toerana ny zandary ary efa manao ny fandihadiana rehetra.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.