Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambasadaoro Véronique Vouland: “Manohana fifidianana malalaka sy tsy manavaka i Frantsa”

Ambasadaoro Véronique Vouland: “Manohana fifidianana malalaka sy tsy manavaka i Frantsa”

“Manohana fifidianana malalaka, tsy manavaka, ary mangahara ao anatin’ny fe-potoana mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana i Frantsa.” Anisan’ny kabarin’ny ambasadaoro frantsay, Sem Veronique Vouland-Aneini, tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenena frantsay teny Ivandry, ny 14 jolay lasa teo, io.

Tsy hitanila i Frantsa. Ny hanotrona ireo manana andraikitra hanatanteraka fifidianana tsy iadian-kevitra ny faniriany tokana. Hamela ny mpifidy malagasy hisafidy marina ny filoham-pireneny sy ireo solombavambahoakany izany. Fifidianana hiaro azy ireo amin’ny krizy mety hitranga aorian’ny fifidianana izany, hanome antoka ara-drariny ireo olom-boafidy hamita  amim-pitoniana ny fe-potoam-piasany.

Mitoetra ao anatin’ny vanimpotona maharitra sy mifototra amin’ny soatoavina napetraky ny filoha frantsay tamin’ny kabariny tany Ouagadougou ny fandraisan’i Frantsa anjara amin’ny toekarena, ny sosialy, ny olombelona. Fahaiza-mitantana izany, fampandrosoana maharitra, finiavana hanome ho an’ny tsirairay ny fahafahany mandray anjara amin’ny firoboroboan’ny kaontinanta afrikanina, ary mandray soa avy amin’izany.

Mampiady saina ny fakana an-keriny

Miady saina amin’ny firongatry ny tsy fandriampahalemana ny vondrom-piarahamonina frantsay. Misy teratany frantsay mihoatra ny 20 000 eto Madagasikara. Maro karazana ny vondrom-piarahamonina frantsay: mizaka zom-pirenena roa ny antsasany, mpirotsaka antsitrapo iraisam-pirenena, mpisotro ronono, mpandraharaha, manampahaizana sivily sy miaramila.

Nametraka ny tenany ho eo ambany fiahian’ny manampahefana malagasy izy ireo, saingy mahatsapa fa tandindomin-doza hatrany: miatrika ny tsy fandriampahalemana iainan’ny vahoaka. Iharan’ny trangan-javatra mampiahiahy tsy mitsaha-mitombo ny sasany amin’izy ireo, izay avy amin’ny vondrom-piarahamonina indianina. Mipaka amin’ny ankizy sy ny vehivavy ny fakana an-keriny ankehitriny.

Tsy maintsy tadiavina izay fomba hisakanana izany, ary afa-manampy i Frantsa. Tanjona ny hiaro ireo olona miaina anaty tahotra noho ny herisetra, ankoatra ny fihazonana ny fahazoan’i Madagasikara hisarika mpampiasa vola sy hiantohany ny fampandrosoana ary hitandroany ny voninahiny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Mifototra amin’ny fifampitokisana ny fifandraisan’ny Frantsay sy ny Malagasy. “Zava-poana ny fifandraisantsika, raha tsy mifototra amin’ny fifampitokisana”, hoy izy.

R.Nd.

Les commentaires sont fermées.