Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

USAID: hatsaraina ny fitantanam-bola eto Madagasikara

USAID: hatsaraina ny fitantanam-bola eto Madagasikara

Efa hatramin’ny fiandohan’ny taona 2016, manampy  ny ministeran’ny Vola sy ny tetibola ny biraon’ ny fanampiana teknika (OTA) ao amin’ny sampandraharaha amerikanina mikirakira ny tetibolam-panjakana, hanatsarana ny lamina momba ny vola sy ny tetibolam-panjakana eto amin’ny firenena sy hananganana kaonty manokana sy tokana ho an’ny fikirakirana vola eto Madagasikara.

Ao anatin’izany fiaraha-miasa izany, nanolotra solosaina 45 sy fitaovana 25 mandeha amin’ny herin’ny masoandro  ny USAID, hamatsy herinaratra ny biraom-paritra sy hanamafy orina ny fitantanam-bola amin’ny alalan’ny fanatsarana ny fivezivezen’ny vaovao eo amin’izy ireo sy ny minisitera eto Antananarivo.

Misy biraom-paritry ny MFB any amin’ny distrika 113 eto Madagasikara, saingy araka ny fanadihadiana natao, tsy tomombana ny fahazoana herinaratra any amin’ireny toerana ireny. Toy izany koa ny fifandraisana amin’ny “internet” sy ny fahanterana na ny tsy fisian’ny fitaovana, izay mametra ny fahafaha-manaon’ireo birao any ivelan’Antananarivo ireo. Misy fiantraikany eo amin’ny fanatontosana ny raharaha ara-bola sy mampiadana ny fahavitan’ny asa izany.

“Mahomby ny fikirakirana ny tetibolam-panjakana sy ny fanatanterahana ny tetibola rehefa azo antoka ny tambajotram-pifandraisana,” hoy Atoa Chris Milligan, tale jeneraly mpisolo toeran’ny USAID Madagasikara.

Ireo takelaka mandray angovo avy amin’ny masoandro no hamatsy herinaratra fanampiny ho an’ny biraom-paritry ny MFB ary ny solosaina kosa, hanampy amin’ny fizaram-baovao sy fandefasana tatitra ara-potoana.

” Hihatsara ny fivezivezen’ny vaovao mankany sy avy amin’ny foibem-paritry ny MFB sy ny fitantanana raha vao tafapetraka ny fitaovana”, hoy ny minisitry ny Vola sy ny tetibola, Rtoa Andriambololona Vonintsalama.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.