Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Upap-Afrika: fivoriambe hanatsarana ny paositra

Upap-Afrika: fivoriambe hanatsarana ny paositra

Hatao eto Madagasikara, ny 26-27 jolay ho avy izao, ny fivoriambe iraisam-pirenena tsy ara-potoana, andiany fahadimy, mikasika ny Fiombonamben’ny paositra aty Afrika (Upap). Miisa 45 ny firenena aty Afrika mpikambana ka anisany i Madagasikara. Fivoriana fanomanana ny atrikasa lehibe hatao any Addis Abeba, Etiopia, ity hatao eto amintsika ity, handinihana ny hamoahana ny fehezan-dalàna vaovao hanatsarana ny lafiny paositra aty Afrika. Ao anatin’izany ny hampitoviana ny fomba fiasa hifanaraka amin’ny toetrandro, indrindra ny Teknolojian’ny informatika. Voakasik’izany ny fitsipika anatiny ifampifehezan’ny mpikambana, ny mikasika ny vola, ny mpiasa, sns.

Mikarakara ity hetsika ity ny Paositra malagasy eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny niomerika (MPTDN). Nambaran’ny tale jeneralin’ny Paositra malagasy, Rakotomalala Nirina Augustin, fa taratry ny lanjan’ny Paositra malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fikarakarana azy. Anisan’izany, ohatra, ny fifanakalozam-bola iraisam-pirenena raha efa miroborobo koa ny eto an-toerana amin’ny alalan’ny IMV (I Mandat Vaovao).

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.