Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsipy kanetibe – «Masters 2018»: niatrika famaranana ny Malagasy

Tsipy kanetibe – «Masters 2018»: niatrika famaranana ny Malagasy

Notanterahina, omaly tao Romance-sur-Isère, ny dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny «Masters», taranja tsipy kanetibe. Nisongadina ny vokatra vitan’ny ekipa malagasy, nahitana an’i Lahatra sy i Coquelet ary i Tiana (Tonnerre). Niatrika ny lalao famaranana mantsy izy telo mirahalahy, tamin’izany dingana izany.

Raha tsiahivina ny vokatra, teo amin’ny lalao ampahefa-dalana, nandresy ny ekipan’i Montoro, tamin’ny isa mazava, 13 no ho 0, ny Malagasy. Tsy niady mihitsy ny fihaonana satria toy ny nanaovan’izy telo mirahalahy fanazarantena fotsiny ireto mpifanandrina taminy ireto.

Teo amin’ny manasa-dalana indray, niady sy nampitsanga-mitoetra ny mpijery ny fihaonana teo amin’i Madagasikara sy ny ekipan’i Sarrio, nisy ilay Malagasy, Andriantseheno Christian, (Ra-Chris). Tamin’ny isa tery, 13 no ho 11, ny isa nandavoan-dry Coquelet ireo ekipa andrarezina ao Frantsa ireo.

Hatramin’ny fotoana nanoratanay, tsy mbola voaray ny vokatra teo amin’ny lalao famaranana, tamin’ity dingana fahatelo ity. Marihina fa ity ekipan’i Sarrio ity no mitarika vonjimaika eo amin’ny filaharana, amin’izao fotoana izao. Nihintsana teo amin’ny ampahefa-dalana kosa ny ekipa frantsay, misy ilay kalazalahy, i Dylan Rocher sy i Philippe Quintais.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.