Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina: jiolahy tratra teo am-piandrasam-paty

Toamasina: jiolahy tratra teo am-piandrasam-paty

Noraisim-potsiny tao amin’ny fiandrasam-paty  tao amin’ny  Dépôt Toamasina, ny herinandro teo ireo jiolahy telo nokarohin’ny polisy. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy, niandry ny fatin’ny jiolahy iray lavo nandritra ny hetsika manokana nataon’ny polisin’ny Fip ry zalahy, tamin’io fotoana io. Nahazo antso tamin’olona voaendaka teo anoloan’ny tetezana mitsingevana ao Anjoma ny polisin’ny UIR ka tonga haingana teny an-toerana. Nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy no nahafantarana ny lalana nandosiran’ireo jiolahy nihazo tany amin’ny fiandrasam-paty. Niaraka tamin’ny polisy nankany amin’ilay fiandrasam-paty ilay raim-pianakaviana niharan’ny fanendahana ka io fa hita tao tokoa ry zalahy izay tsy nanampo na inona na inona fa toy ireny olona miara-kory amin’ny mana-manjo ireny. Nosamborina avy hatrany ry zalahy. Hita tany amin’izy ireo nandritra ny fisavan’ny polisy ny antsy lavalela iray sy ny finday ary ny poketra. Efa voazaran’izy telo lahy avokoa ny vola niaraka tamin’ireo zavatra avy nendahin’izy ireo.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.