Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Resaka hala-jaza: Saika notafihin’ny olona indray ny tao Antsahondra

Resaka hala-jaza: Saika notafihin’ny olona indray ny tao Antsahondra

Saika mbola niverina nanafika ny tany Antsahondra Betafo ny olona tany an-toerana, omaly, siangy nidina tany an-toerana haingana ny “préfet” niaraka tamin’ny mpitandro filaminana, ka nilamina ihany ny raharaha. Efa nisy ny feo nandeha, afakomaly fa hiverina hanafika ireo zazamainty. Tsy tanteraka anefa izany fa tonga nandamina ny manampahefana.

Mitaky ny hanalana ireo fikambanana mpivavaka ireo any Antsahondra ny mponina any an-toerana. Tsy maharesy lahatra azy ireo mantsy ny fanazavana fa tsy misy zaza very na resaka hala-jaza ao an-toerana. “Tanàna honenana mpifindra monina ny any ary misy trano fivavahana lehibe”, hoy ny fanazavana.

Fijoroana vavolombelona tovolahy tsy hita andro maromaro ka nilaza fa tafatsoaka avy ao an-toerana, nahatonga ny olana rehetra. Voalaza fa fiara 4×4 fitaomana entana hanamborana trano sy entina miantsena ireo nodoran’ny olona. Miaramilan’ny Das (Détachement Autonome de Sécurité) ireo nitifitra ary nitifi-danitra mba hampihemotra ireo nikasa hanafika. Voalaza fa nokaramaina hiambina tanàna ireo miaramila ireo noho ny faritra be dahalo. Milamidamin-dratsy ny raharaha, satria miitatra amin’ny fitakiana ny hialan’ireo olona ireo any an-toerana indray izao.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.