Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ragasy Band: hihira ny amponga…

Ragasy Band: hihira ny amponga…

… Hanaraka izany amin’ny feony ihany koa i Faratiana ! Somary niova endrika kely ny tarika Ragasy izay nanjary Ragasy Band. Raha ny amponga mihira no nahalalana an-dry zareo ireto hatramin’izay, anio alina kosa, eny amin’ny Is’Art Galerie Ampasanimalo, hampiasa gitara beso ry Ragasy Band. Ambonin’izay, tsy ny amponga irery intsony no hihira fa i Faratiana ihany koa. Ho hita eny an-toerana ihany koa ireo karazana amponga mampalaza an-dRagasy, toy ny amponga vy manao ny « mélodie », ny B52 itambarana amponga maromaro, ny amponga mazavaloha, ny marovakana korintsana, ny amponga kambana, sns. Ny « fusion » manasongadina ny vakodrazana kosa no hisongadina amin’ny hira atolotry ny tarika anio.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.