Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra vehivavy: misongadina ny Askam Itasy

 Nitohy, omaly teny amin’ny kianja Carion Manjakandriana, ny andro faharoa amin’ny fifanintsanana, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, baolina kitra vehivavy «division elite». Hatreto, mbola misongadina ny Askam Itasy, naka ny fandresena fanindroany ho azy indray, nanoloana ny Som Boeny. Resin’izy ireo, tamin’ny isa mazava 4 no ho 0, ny Som Boeny. Mifanalavitra ny fahaizana eo amin’ny mpilalao roa tonta. Manana teknika sy taktika ambony ny tovovavin’Itasy manoloana ny Boeny. Tsy niady mihitsy ny fihaonana satria nanantombo teo amin’ny tanjaka sy ny traikefa ry Christinah sy ry Sarah.

Niondrika teo anatrehan’ny AS Comato Atsimo Andrefana, tamin’ny alalan’ny fandakana ny “tirs au but”, 3 no ho 2, kosa ny Mifa Analamanga. Nisaraka ady sahala, samy tsy nisy nitoko ny roa tonta, tao anatin’ny fe-potoana ara-dalàna. Niondrika teo anatrehan’ny Asot, tamin’ny isa tery, 3 no ho 2, ihany koa ny Prescoi Vakinankaratra. Nomontsanin’ny AC Sab-Nam, tamin’ny isa mavesatra, 5 no ho 1, ny Ascuf.

Hitohy, rahampitso asabotsy 14 jolay, ny andro fahatelo ka ny Askam, hifampitana amin’ny Prescoi ary hifampitady amin’ny AC Sab-Nam kosa ny Som Boeny. Hifandona indray ny Ascuf Matsiatra Ambony sy ny AS Comato ary adin’ny samy Analamanga ny lalao farany, hifanandrinan’ny Mifa sy ny Asot.

Torcelin

Les commentaires sont fermées.