Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Mondial 2018»: Senegaley no hitsara ny lalaon’i Frantsa sy i Kroasia

Kitra – «Mondial 2018»: Senegaley no hitsara ny lalaon’i Frantsa sy i Kroasia

Famaranana tsy mbola nisy, saingy ekipa efa mifankahafantatra ny hanakatona ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany “Mondial 2018”, taranja baolina kitra. Hiady izany ny Kroaty sy ny Frantsay, ny alahady ho avy izao.

Ho fantatra amin’ny alahady ho avy izao izay ekipa handrombaka ny amboara volamena, amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany “Mondial 2018”, taranja baolina kitra. Hiady izany ireo ekipa eoropeanina roa avy any avaratra: i Frantsa, sy i Kroasia, avy any atsinanana.

Hiavaka tsy toy ny mahazatra ity famaranana ity satria teratany afrikanina, amin’ny alalan’ilay Senegaley, i Malang Diedhiou, no hitsara ny lalaon’ny roa tonta. Hotsarain’ny zanataniny izany eto ny Renimalala.

Ekipa diso mifankahalala tsara, saingy efa tany amin’ny 20 taona lasa no nifanehatra farany, raha teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany. Hanala vela amin’ny Frantsay amin’ity ry zareo Kroaty, izay lavon’ny Les Bleus, teo amin’ny manasa-dalana, nandritra ny “Mondial 1998”, notontosaina tany Frantsa. Niondrika tamin’ny isa, 2 no ho 1, i Kroasia, tamin’io. Baolina roa nampidirin’i Thuram avokoa.

Sambany ary voalohany eo amin’ny tantarany ny hiatrehan’i Kroasia ny famaranana amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany. Mihevitra ny hamadika ny pejy izy ireo, amin’ity, ary hanoratra ny anarany ao anatin’ny “Guiness du football”.

Toy izany koa ny Frantsay, mitetika ny haka ny anaram-boninahitra fanindroany ary hametraka ny kintana faharoa eo an-tratrany.

Raha hiverenana kosa ny vokatra teo amin’ny lalao manasa-dalana, nikatrohan’i Kroasia sy i Angletera, efa tany amin’ny fanalavam-potoana vao tafavoaka ho mpandresy, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny Kroaty.

Hiady ny medaly alimo, ny asabotsy ho avy izao, i Belzika sy i Angletera. Ekipa niray vondrona tany amin’ny fifanintsanana. Resin’i Belzika, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny Anglisy, tamin’izay, ka amin’ity ny famerenana eo amin’izy ireo.

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.