Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo, resaky ny mpitsimpona akotry: fahanginana hany sisa fahendrena

Aza mahavoa ny goavy manta, sao mitohana tsy fidiny. Mafy anie izany tsy afaka miteny izany nefa ny tena eo amin’ ny toeran’ny raiamandreny. Izany fahasarotana izany no manjo an’Andriamatoa Rajaonarimampianina ankehitriny. Asa na noho ny hadisoan’ny tetika na noho ny fakampanahin’ ny hajejoana, fa toy ny manome basy itifirana ny tenany ny fanohizana an’ilay fanaovana Fotaom-bita amin’ny Filoha. Mafimafy ny onjan’ny fitakian’ny sokajy sasantsasany amin’ ny mpiasam-panjakana, indrindra moa fa ny avy amin’ireo ao anatin’ny sehatry ny fampianarana. Izay tsy natao hatramin’izay efa-taona mahery izay ve no anomezan-toky fa ho tanterahina ao aoriana? Izany anefa ny vontoatin’ny fandaharan’ingahy Hery Rajaonarimampianina. Tsy manao be marenina akory ny fitondrana fa ny fanjakana no tsy ampy vola entina hanomezana fahafam-po mikasika ny hetaheta voambara ao anatin’ny fitakian’ny mpiasa. Misy hono ny tetika voalamina ho an’ny fanatanterahana izany tsikelikely mandritra ny taona ao aoriana. Nisy an’izany ka tsy navoaka hatramin’izay. Efa may volon-tratra ve vao hampiresaka ! Iza moa no milaza fa na amin’iny taona ho avy iny aza dia mbola ho izy ihany no ho eo amin’ny toerana? Fahasahiana lehibe izany fisehoana ho be famaritra tahaka ny rambon’osy izany. Na koa efa naman’ny fanaovana fandresen-dahatra mialoha ny fotoana fampielezan-kevitra. Efa filazana ny hatao rahampitso izany. Hany fitaka kely dia ny tsy fitenenana mivantana hoe ny tena no hanatanteraka izany, ka ny fanjakana no omena ny andraikitra hiantsoroka ny fanaovam-panantenana sy ny fanatanterahana azy. Vitsy angamba ny olona mety ho voafitak’izany fikan’ariary roa izany. Nandaitra angamba izany tany aloha tany, fa ny fiheverana ny mponina izay efa leom-boan’anana ka tsy te hierika zava-boribory intsony dia karazana famitahan-tena ihany. Aiza kosa raha tsy efa faran’ izay bado kosa dia mbola hino ihany ny fahombiazan’ny tetika efa naroso nefa tsy namokatra. Misy moa ohabolana any ivelany mampitandrina amin’ny filana fanodikodinana ny lela impito misesy mialoha ny fandraisana fitenenana. Ravaka ho an’ny fomba firesahana izany ka tsy hita ho raisina ara-bakiteny. Ny marina fonosin’izany dia ny filana ny fitsakotsakoana hevitra ao an-tsaina mialoha ny fipetsopentsonana. Noho izany dia mipetraka ny fanontaniana, efa lany ve ny fanetren-tena ka mihevitra ny tena ho tsy mila an’izany fandinihana lalina ao an-tsaina izany intsony. Indraindray mety ahatonga ho donto ny diso fiheverana ny tena ho maranitra.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.