Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitsenana tao Toamasina: mitaky fiovam-penitra sy fahamarinana ny kardinaly Tsarahazana

Fitsenana tao Toamasina: mitaky fiovam-penitra sy fahamarinana ny kardinaly Tsarahazana

Mazava ny hafatra ho an’ny kristianina sy ny vahoaka malagasy. “ Isaorantsika ny papa ray masina, nanendry ahy ho kardinaly ho an’ny firenentsika.  Midika izany fa mitodika  aty amintsika ny mason’ izao totolo izao, indrindra  ny ao Vatikana. Tiany handroso isika sy ny firenentsika. Miainga avy amintsika tsirairay izany ary mitaky fiovam-penitra mahery vaika hialana amin’ny fomba ratsy mahazatra ka hanao asa amin’ny

fahamarinana”, hoy ny lahateny voalohany nataon’ny kardinaly  Tsarahazana Desiré teo am-pahatongavana tao Toamasina, omaly. Marobe ireo  nitsena azy, nanomboka  teny amin’ny

seranam-piaramanidina Ambalamanasy sy ireo lalana rehetra nolalovany. Nihofahofa teny rehetra  teny ny sainan’ny Vatikana sy ny saim-pirenentsika. Nitohana nandritra ny ora maromaro ny fifamoivoizana ary nahatratra 7 km mahery ny halavan’ny fiara mitandahatra sy  ny mpandeha an-tongotra. Narahina hira sy dihy izany  rehetra izany. Nanotrona izany  koa ny avy amin’ny finoana hafa.

Ireo filoha teo aloha, Ravalomanana sy Rajoelina…

Nampihetsi-po ny  rehetra  ny  fandraisana  ny Mgr Tsarahazana  Desiré.

Nifarana tetsy amin’ny katedraly St Joseph Ampasimazava ny fitsenana ary nisy  ny hafatra nampitainy ho an’ny kristianina  sy ny  vahoaka malagasy. “Tohina tanteraka ny fo mahita ny hamaroan’ny olona tonga nitsena ahy. Tsy nitandro hasasarana na  lavitra aza ny lalana nandehanana an-tongotra sy ny hazakazaka madinika.  Midika izany fa faly

isika ary faly ihany koa aho.  Isaroana ianareo ” hoy izy. Hitohy amin’ny alahady  ho avy izao ny fandraisana ny kardinaly Tsarahazana Désiré, amin’ny alalan’ny lamesa voalohany hataony eo  amin’ny kianja malalaky ny lycée Stela Maris Androranga.  Anisan’ny  voasa sy  ho avy any an-toerana  hanatrika  izany ny filoha Rajaonarimampianina  sy ny filoha teo aloha, Ravalomanana  ary ny filohan’ny Tetezamita, Rajoelina.

Sajo sy Synèse R.

Les commentaires sont fermées.