Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitokonana ao Antsirabe: nanampy ny mpampianatra ny ray aman-dreny

Fitokonana ao Antsirabe: nanampy ny mpampianatra ny ray aman-dreny

Tsy mandeha irery fa nohamafisin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra ny tolona ataon’ny mpampianatra ao amin’ny lisea teknika ao Antsirabe, omaly. Nisy ny fihaonan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny mpampianatra nialoha izao ka nohazavain’ny mpampianatra ny anton’ny tolona hataony sy ny tsy hampianarany ny zana-bahoaka.

Resy lahatra, araka izany, ireo ray aman-dreny ka izao nanampy tosika ny fitakian’ny mpampianatra izao.

Nilaza ny tsy fahafaham-pony amin’ny valin’ny fitakiana ireto mpampianatra ao Antsirabe ireto ka hanohy hatrany ny tolona ary hampikatso ny fampianarana mandra-pivalin’ny fitakiana manontolo.

Omaly, tonga tany Antsirabe ny minisitry ny Fampianarana teknika ary nitsoaka ny mpampianatra izay efa niandry azy fatratra fa tsy sahy nifanatri-tava amin’izy ireo. Diso fanantenana tanteraka amin’ity fanjakana tsy mahavaha olana ity, araka izany, ireo mpampianatra ary mitsoaka andraikitra ny minisitra fa tsy mahasahy miatrika ady.

Etsy andaniny, misy ireo mpampianatra mamono afo ao Antsirabe ihany ka nilaza ny hiverina hampianatra. Voalazan’ny namany anefa fa mpamadika tolona izy ireo ary misy mpikarama an’ady.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.