Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Firotsahan-kofidina: tsy handray izay antontan-taratasy tsy ampy ny HCC

Firotsahan-kofidina: tsy handray izay antontan-taratasy tsy ampy ny HCC

Miroso ny fanomanana sy fanatanterahana ny fifidianana. Milaza ny eo anivon’ny HCC fa tsy horaisiny ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina, raha misy tsy ampy na iray aza. 

“Misy folo mahery ireo taratasy ilaina, araka ny voalazan’ny lalàna vaovao mifehy ny fifidianana. Rehefa tena tonga ny fifidianana, raha sanatria tsy ampy iray fotsiny izay: tsy azo raisina ny firotsahan-kofidina.”

Io ny fanazavan’ny filoha Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), Rakotoarisoa Jean-Eric, teny Anosy, omaly, momba ny fametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika.

Izay no ezahina dieny mialoha mba ho fantatry ny rehetra izany, hatao vonona sy manaraka tsara amin’izay takin’ny lalàna ny antontan-taratasy hapetraka eny amin’ny HCC. Amin’izay,  tsy hifanomezan-tsiny raha misy tsy tafiditra ho anisan’ny kandidà.

“Na izany aza, ny ankamaroan’ny taratasy takina amin’ny kandidà: mitovy amin’ny teo aloha ihany”, hoy izy.Maro ireo taratasy takina, ary efa fantatra ny fanombohana ny fametrahana izany. Dieny izao, efa tokony hanomboka hanangona izany ireo te ho kandidà.

Mba tsy atao ny “ady gasy”

“Aza atao ny “ady gasy” amin’ny andro na ora farany ny fametrahana ny antontan-taratasy, sao sanatria misy olana ny taratasy”, hoy ihany ny fanazavany. Raha misy olana izany, mbola azo amboarina raha alohan’ny fotoana: afa-miteny ny HCC ny amin’izany. Rehefa tonga kosa ny fikatonan’ny  fandraisan’ny HCC ny antontan-taratasy, tsy afa-manova na inona na inona intsony izy amin’izany.

Nisy ny fivoriana atrikasa niarahan’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana (Pnud) sy ny HCC ary ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni) ny amin’izay famoriana sy fametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika izay.

Hanomboka amin’ny 1 aogositra ho avy izao izay fametrahana ny antontan-taratasy izay, ary hifarana ny 21 aogositra.

R.Nd

Les commentaires sont fermées.