Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fifandonana nahery vaika tao Ambatofinandrahana: nirongo Kalach sy Mass 36 ireo dahalo 30 lahy nanafika

Fifandonana nahery vaika tao Ambatofinandrahana: nirongo Kalach sy Mass 36 ireo dahalo 30 lahy nanafika

Dahalo telolahy no lavo nandritra ny fifandonana tamin’ny zandary sy fokonolona nanao fanarahan-dia noho ny halatra omby, tao Itremo, distrikan’Ambatofinandrahana, ny fiandohan’ny herinandro teo. Basina mpitandro filaminana, Kalachnikov sy Mass 36 no nampiasain’ ireo dahalo efa ho 30 lahy. Mahavariana mihitsy !!!

Nitrangana fanafihan-dahalo indray tany amin’ny kaominina Itremo, distrika Ambatofinandrahana , ny fiandohan’ny herinandro teo. Voalazan’ny zandary fa nanafika tany amin’io tanàna io ny dahalo efa 30 mahery nirongo Kalachnikov sy Mas 36, niampy zava-maranitra. Niditra tao an-tanàna ireo dahalo ary nanapoaka basy, tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany tolakandro. Norobain’ireo jiolahy tamin’izany ny omby miisa 11. Nitsoaka avy hatrany ireo dahalo niaraka tamin’ny omby sady nampihorohoro taorian’izay.

Nanao ny fanarahan-dia kosa ny zandary avy any Itremo nampian’ny fokonolona. Nisy ny fifandonana vokatr’izany ka nahafatesana dahalo telo. Nisy omby iray ihany koa maty tamin’ity fifandonana ity. Sivy ny omby tafaverina amin’ny tompony.

Ny distrikan’Ambatofinandrahana izay faritra mena amin’ny asan-dahalo ary tena anjakan’ny fanafihana. Vao tsy ela izay ny nisiana fanafihan-dahalo ka nandoran’ny dahalo tanàna. Nahafatesana olona mihitsy tamin’izany noho ny fahamaizana. Sady voaroba ny fananana, may ny trano, maty ny olona tamin’izany.

Asan-dahalo isan’andro

Efa ho isan’andro ny asan-dahalo any amin’ny faritra, izay iverimberenan’ny fanafihana hatrany. Tany Besakaviro, distrikan’i Maevatanàna, nanafika koa ny dahalo nitondra basim-borona. Nisy ny fifandonana teo amin’ny fokonolona sy ireo olon-dratsy ka nahafatesana dahalo iray. Iray hafa naratra vokatry ny tifitra nahazo azy.

Santionany ihany ireo fa hatrany Morafenobe, Tsiroanoamandidy, nisehoana asan-dahalo hatrany, izay voalazan’ny zandary fa mirongo basy isaky ny manafika izy ireo. Vao mainka mampirongatra azy ny toe-draharaha politika eto amintsika. Nilaza fa hanao laharam-pahamehana amin’ny ady amin’ny dahalo ny praiminisitra vao nandray ny toerany fa tsy hita taratra izany aloha, hatreto. Mandry tsy lavo loha ny mponina na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.