Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

FEC: nampindram-bola 44,25 tapitrisa dolara ny FMI

FEC: nampindram-bola 44,25 tapitrisa dolara ny FMI

Hahamarin-toerana ny toekarena ankapobeny, tantanin’ny fanjakana ny famatsiam-bola avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Misy ny ezaka fa mila hamafisina koa ny ady amin’ny kolikoly.

Nankatoavin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) ny fampindramam-bola an’i Madagasikara mitentina 44,25 tapitrisa. Tafiditra ao anatin’ny Fampindramam-bola malalaka nohamoraina (Fec) ity famatsiam-bola ity, miompana amin’ny lafin-javatra telo. Hanamafisana ny fahamarinan-toeran’ny toekarena ankapobeny mba hitondra fampandrosoana maharitra sy azo tsapain–tanana. Hanamafisana ny ady amin’ny kolikoly ary hanatsarana ny lafiny vola hanamafisana ny fitomboan’ny toekarena.

Ampaham-bola fahatelo ao anatin’ny Fec ity nampindramin’ny FMI ity ka tafakatra 220,02 tapitrisa dolara ny fitambaran’ny efa azon’i Madagasikara, nanomboka ny taona 2016. Nahazo fampindramam-bola fanampiny i Madagasikara, ny jona 2017, ka tafakatra 250,55 tapitrisa dolara ny vola ao anatin’ny fifanarahana Fec.

Misy ny ezaka na eo aza ny olana

Nandritra ny fivorian’ny filankevi-pitantanan’ny FMI, nilaza i Mitsuhiro Furusawa, tale jeneraly lefitra sady filoha vonjimaika, fa « tsara sy mafonja ny vokatra vitan’i Madagasikara amin’ny fandaharanasany amin’ny toekarena. Maharesy lahatra koa ny vinavina ho avy na eo aza ny ahiahy amin’ny fisondrotan’ny vidin-tsolika, ny olana amin’ny fifanakalozam-bola ary ny loza voajanahary ».

Nankasitrahan’ny FMI ny fitantanana ny fidiram-bolam-panjakana sy ny famoaham-bola. Teo koa ny fifehezana ny fisondrotry ny vidin-tsolika, ny fanampiana vola ny Jirama, ny fampirisihana ny mpampiasa vola amin’ny fanamorana ny hetra, sns.

Mampirisika ny fanjakana koa ny FMI hanamafy bebe kokoa ny ezaka hiadiana amin’ny kolikoly. Ao anatin’izany koa ny fanatsarana ny rafi-panjakana sy ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny toekarena.

Njaka Andriantefiarinesy

Les commentaires sont fermées.