Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antsirabe: faha-20 taon’ny BFV-SG

Antsirabe: faha-20 taon’ny BFV-SG

Anisan’ny nankalazana ny faha-20 taon’ny banky BFV-SG koa ny any Antsirabe. Nisy ny fihaonana manokana amin’ireo mpanjifa mahafatra-po sy ny orinasa maherin’ny 250, ny 1 jolay teo. Nahafahana ihany koa nanamafy ny fifandraisana amin’ny manjifa sy ny endriky ny fanakaikezana azy ireo bebe kokoa.

Tanjon’ity banky ity ny fanomezana tolotra misy kalitao ny mpanjifa. Omen-danja ny mangarahara, ny fanatonana akaiky ny mpanjifa sy ny fihainoana azy, ny fifandraisana maharitra ary ny fanaraham-penitra. Vinan’ny BFV-SG ny miara-mandroso ary omen-danja ny mpanjifa.

Nambaran’ny filoha tale jeneraly, i Bruno Massez, nandritra ity fotoana tany Antsirabe ity, fa “ho eo akaikinareo mpanjifa hatrany izahay mandritra ny taona manaraka. Ezahina hatrany ny fanitarana ny masoivoho manerana ny faritra maro eto amin’ny Nosy, hamaliana ny filàn’ny mpanjifa. Manome toky anareo izahay ho an’ny 20 taona manaraka indray, vonona hikarakara ny mpanjifa ireo mpiara-miasa amiko rehetra.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.