Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

67 ha: “Cash point” norobain’ny jioalahy, lasa ny vola an’hetsiny

67 ha: “Cash point” norobain’ny jioalahy, lasa ny vola an’hetsiny

Jiolahy miisa telo nirongo fitaovam-piadiana no tompon’antoka tamin’ny fanafihana ny “cash-point”, toerana fandefasana vola amin’ny alalan’ny finday, eny 67 ha avaratra atsinanana, ny alatsinainy teo. Lasan’ireo jiolahy ny vola anetsiny…

Tampoka ity fanafihan-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika tao amin’ny cash point iray eny 67  ha Avaratra Atsinanana ity. Araka ny fanazavana voaray momba ity fanafihan-jiolahy ity, mbola antoandro ny andro, saingy tsy nisalasala ireo olon-dratsy fa niditra an-keriny toy ireny olona handrotsa-bola ireny ry zalahy niditra tao amin’ilay cash point. Nandeha moto ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io ka najanon’izy ireo tsy lavitra ity cash point voatafika ity ilay moto. Nandrahona ireo mpiasa tao amin’ilay cash point avy hatrany ry zalahy sady nanery azy ireo hanome ny vola rehetra. Hatairana ny an’ireo mpiasa ka nanome avy hatrany ny vola tao amin’ny fitoeram-bola. Tsy fantatra mazava ny totalim-bola tao amin’ny fitoeram-bola fa mitentina anetsiny izany, araka ny fanazavana voaray hatrany. Nivoaka moramora ry zalahy ka lasa nirifatra tamin’ny moto. Tsy sahy nanaraka ireo olon-dratsy rahateo ireo niharan’ny fanafihana satria noho ny tahotra ny fitaovam-piadiana teny am-pelatanan’izy ireo. Voalaza fa nisy olona nahatsikaritra ihany ny fihetsik’ireto jiolahy ireto, izay somary nihaodihaody teny amin’ny manodidina mialoha ny nidirana tao amin’ilay cash point.

Samy tsy nisy nahafantatra ny olona…

Tao anatin’ny minitra fohy ny nitrangan’ny fanafihana teny an-toerana. Betsaka anefa ireo olona nifamezivezy teny amin’ny manodidina ilay cash point tamin’io fotoana io, saingy tsy nisy nanampo na inona na inona. Taorian’ny fanafihan’ireo jiolahy vao nisy nahatsikaritra fa nisy nanafika tamin’ilay cash point. Voalaza anefa fa tsy lavitra mpitandro filaminana teo akaikin’ilay trano voatafika, saingy tsy nisy nahafantatra. Teo koa ny fahasahian’ireo olon-dratsy niditra an-keriny tao an-trano. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana, araka izany, ity raharaha ity ka efa mandeha ny fikarohana amin’izay mety ho tompon’antoka tamin’izany.

J.C

Les commentaires sont fermées.