Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vovonana firaisankina: « Aleo hamboarina ny lalàna »

« Ilaina ny fanamboarana ny lalàna hanome tombony ho an’ny vahoaka malagasy. Hiteraka fitoniana eto amin’ny firenena izany… », hoy ny vovonana Firaisankina ho an’i Madagasikara. Nohitsin’izy ireo fa misy tsy milamina sy tsy araka ny lalàna ny fomba namoahana ny datim-pifidianana. « Nametraka fitorina eny amin’ny HCC izahay mitaky ny hampiatoana ireo fanapahan-kevitra mifanolana amin’ny lalàna…», hoy ihany izy ireo. Notsiahivin’izy ireo koa ny tokony hampiharana ny fehinkevitry ny fihaonambem-pirenena na ny fampihavanam-pirenena natao teny Ivato, ny taona 2015. « Hany lalan-tokana ahafahana mivoaka amin’ny krizy sy tsy hiverimberenan’ny olana intsony izany », hoy ihany ny vovonana Firaisankina ho an’i Madagasikara.  Takin’izy ireo koa ny handravana ny Antenimiera satria tsy afa-miara-miasa intsony ireo depiote ary lasa maivan-danja ny lalàna dinihina.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.