Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mananara Avaratra: narary ireo olona nihinana fatina trozona efa maimbo

Mananara Avaratra: narary ireo olona nihinana fatina trozona efa maimbo

Marary kibo, mandoa sy mivalana ary fanina. Izany no nahazo ireo olona nihinana fatina trozona natsipin’ny ranomasina tao Mananara Avaratra, afakomaly maraina. Efa maimbo ilay trozona kanefa tsy nanakana ireo olona naka ny henany izany…

Mitombo isa hatrany ireo marary manatona eny amin’ny hopitaly vokatry ny fihinanana trozona hita faty teo amin’ny sisin-dranomasina ao Ambitsika, distrikan’i Mananara Avaratra, afakomaly. Natsipitsipin’ny onjan-dranomasina ity hazandrano vaventy ity ka tonga teo amin’ny tora-pasika. Nifarombaka naka ny hena avy hatrany ireo mponina ao an-tanàna raha vao nahita ny fatin’ity trozona ity. Tao ireo naka hena, nisy ireo naka jabora sy taolana fa hoe anaovana fanafody. Efa simba sy namoaka fofona maimbo manerana ny tora-pasika ity trozona ity, saingy tsy nahasakana ireo andian’olona marobe naka hena izany, tamin’io fotoana io. Nanao fanambarana haingana tamin’ny haino aman-jery ireo tompon’andraiki-panjakana ao Mananara Avaratra amin’ny tsy tokony hihinanana ity fatina trozona ity. Tsy niraharaha izany anefa ireo andian’olona ireo fa naka ny henan’ilay trozona, kanjo nisy sahady ireo narary kibo, nandoa sy nivalana ary fanina vokatry ny fihinanana ilay trozona.

Mbola manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly ireo olona nihinana ity trozona ity. Tsy mbola fantatra mazava kosa ny antony nahafaty ilay trozona. Entin’ny hanoanana ny olona ka zara àry misy sakafo tonga manatona fotsiny,na teo aza ny fandraran’ireo tompon’andraikitra.

J.C

Les commentaires sont fermées.