Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambohimanambola: rongony roa gony sy tapany hitan’ny polisy

Ambohimanambola: rongony roa gony sy tapany hitan’ny polisy

Hitan’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Alasora teny amin’ny rond point Ambohimanambola, ny asabotsy 7 jolay 2018 teo, noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny polisy sy ny vahoaka teny amin’ny manodidina  ny inona? Araka ny fanazavan’ny polisy, nahazo loharanom-baovao ny polisy ka tamin’izany no nahitana ireto zava-mahadomelina ireto. Fantatra fa kamiaobe lehibe iray ana orinasa fanta-daza iray eto an-drenivohitra no nandalo teo amin’ny manodidina ny rond point Ambohimanambola tamin’io asabotsy io tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro. Raha ny fanazavan’ireo nanatri-maso, somary nandeha mora io kamiaobe io ary nanipy gony lehibe roa sy gony kely iray ka nanohy ny lalany indray taorian’izay. Somary nampiahiahy  ny mponina teny amin’ny manodidina izany satria nisy lehilahy roa efa niandry ireo gony ireo tsy lavitra ny toerana nanipazana ilay gony. Lasa nandositra avy hatrany ireo olona ireo raha vao nahita ireo fokonolona. Niantso polisy avy hatrany ireo mponina ka tonga haingana teny an-toerana izy ireo, taorian’ny antso nataon’ny mponina. Nosokafan’ny polisy ireo gony ka hita tao ireo rongony efa mifatratra tsara. Milanja eo amin’ny 30 kg eo hoe eo ny lanjan’ireto rongony ireto rehefa nolanjain’ny polisy.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.