Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nanala ny ahiahin’ny maro ny talen’ny ENMG

Nanala ny ahiahin’ny maro ny talen’ny ENMG

Efa mizotra ny fitsarana ny fanadinana izao, amin’ity volana ity, ary ao anatin’ny dingan’ny fifantenana izy ireo amin’izao. Mandeha mialoha ny fitsarana ny taratasim-panadinan’ireo mpitsara. Avy eo, miditra ny an’ny mpirakidraharaha fitsarana”, hoy ny tale jeneralin’ny fanofanana mpitsara sy mpirakidraharaha fitsarana (ENGM), Rajoelina Yves Hugues, ny faran’ny herinandro teo tetsy Anosy tao amin’ny fitsarana tampony. Tafiditra amin’ny fanamby apetraky ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana rahateo izany fametrahana ny mangarahara izany, tafiditra amin’ny fanjakana tsara tantana. Anisan’ny nanatrika ny fianianan’ireo mpitsara miisa 50 nivoaka avy amin’ity sekoly ity ny tenany. Handray ny toerana nanendrena azy avy avokoa izy ireo. Tompon’ny teny farany sy manapa-kevitra amin’ny toerana hiasan’ireto mpitsara nivoaka ireto ny filankevitry ny mpitsara (CSM). Nanatrika izany ny minisitry ny Fitsarana, i Armisa Noro Vololona, sy ireo olo-manan-kaja eo anivon’ny tontolon’ny fitsarana.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.