Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpanendaka eny Analakely: tontakely roa nalefa eny Anjanamasina

Mpanendaka eny Analakely: tontakely roa nalefa eny Anjanamasina

Nalefa eny Anjanamasina ny roa raha nidoboka eny Antanimora kosa ny iray amin’ireo tontakely telo lahy mpanendaka tratra teny Analakely ny herinandro teo. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Analakely ry zalahy ireto noho ny resaka famakiana fiara. Araka ny fanazavan’ny polisy, fiara iray niantsona teo amin’ny manodidina ny hotely lehibe iray eo Analakely no lasibatr’izy ireo. Vao nidify nanalavitra ny fiarany ny tompony, nanararaotra namaky ilay fiara ireto andian-jatovo ireto. Lasan’izy ireo tamin’izany ny kitapo iray nisy vola 3 tapitrisa Ar sy ordinatera entin-tanana iray. Nony nahita ny fahaverezan’ilay kitapo ilay tompony, nametraka fitarainana avy hatrany teny amin’ny biraon’ny kaomisaria. Nanao fikarohana ny polisy ka tratra teo Analakely ihany ny iray amin’ireo mpangalatra. Niainga avy amin’ity tontakely iray ity no nahafahan’ny polisy nisambotra ireo namany roa lahy. Fantatra, nandritra ny fanadihadiana azy ireo, fa matetika manao asa ratsy toy izao ry zalahy. Vao avy nisazy teny amin’ny Anjanamasina, ny volana avrily lasa teo, ny iray antsoina hoe Beloha kanjo izao niverina nanohy ny asa ratsiny izao indray.

J.C

Les commentaires sont fermées.