Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Telma coupe de Madagascar»: nomontsanin’ny Jet Mada 9 no ho 1 ny FC Lam

Kitra – «Telma coupe de Madagascar»: nomontsanin’ny Jet Mada 9 no ho 1 ny FC Lam

Nitohy, ny asabotsy 7 sy ny alahady 8 jolay lasa teo, ny dingana ampaha-16-n-dalana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Telma coupe”. Nivoaka ho mpandresy avokoa ireo ekipa goavana sy efa manana ny toerany. Anisan’ireny ny Jet Mada, tompondakan’Itasy, izay nanamontsana ny FC Lam Matsiatra Ambony, tamin’ny isa mavesatra, 9 no ho 1. Tsy niady ny fihaonana satria toy ny nanao fanazarantena fotsiny ry Tsiry sy ry Solo, tamin’ity.

Ankoatra izay, samy manohy ny lalany ihany koa ireo ekipan’Analamanga toa ny Elgeco Plus, izay nanakana ny lalan’ny Mama FC, tamin’ny isa tery 3 no ho 2. Tafita ihany koa ny Cosfa, nandresy ny Fosa Jr Analamanga, tamin’ny isa 3 no ho 1. Lavon’ny AS Adema, 3 no ho 0, kosa ny FC Rabaza. Ny Uscafoot, nandresy ny Five FC Analamanga, tamin’ny isa 3 no ho 0, ary mbola tamin’io isa io ihany koa ny nanilihan’ny Ajesaia Bongolava ny FCB Matsiatra Ambony. Tetsy ankilany, resin’ny Fosa Jr Boeny, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny Tana Formation. 3 no ho 1 kosa ny nandresen’ny Cnaps Sport Itasy ny MTM Melaky.

Torcelin

Les commentaires sont fermées.