Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanofanana tefibika (design)-Iscam: maro ny tanora afaka manangana ny orinasany

Fanofanana tefibika (design)-Iscam: maro ny tanora afaka manangana ny orinasany

Nifarana, ny 7 jolay teo, ary nampahafantarina tamin’io fotoana io ny fikarohana sy ny famoronana vitan’ireo tanora sivy nanaraka fiofanana, nandritra ny roa taona, momba ny tefibika (design) tao amin’ny Iscam, andiany faharoa (Master II).

Mahakasika sehatra samihafa ny fikarohana na famoronana vitan’ireo tanora ireo, eo amin’ny lafiny sosialy, toekarena hatramin’ny kolontsaina, ho fanarenana ny firenena, izay latsaka lalina loatra ao anatin’ny fahantrana.

Maro karazana ireo lohahevitra naroson’ny tsirairay tamin’ny fikarohana nataony: ny fanavaozana ny tsenan’i Mahamasina; ny fanajariana any anatin’ny toeram-pitsaboana; ny fanomezan-danja ny kolontsaina zafimaniry avy amin’ireo sokitra vita any an-toerana; ny famelomana indray ny angano, misy hevitra maro azo raisina;  ny fanabeazana momba ny sakafo; ny loko sy ny asa tanana ; ny asa tanana vita amin’ny tandrok’omby any Imerintsiatosika; ny fanodinana fako amin’ny tanàn-dehibe; ny fomba fitafin’ny vehivavy betsimisaraka tany amin’ny taonjato faha-19; ny fitsangantsanganana manodidina an’Antananarivo.

100 % ny fankatoavan’ny orinasa

Nahaliana ireo orinasa maro na hahazoan’ireo tanora manangana ny orinasany ny vokatry ny fikarohana nataony, ary saika nahazo fankatoavana 100 % avokoa. Mifandray ireo rehetra ireo na lohahevitra samy hafa aza, ho an’ny fizahantany, ny fanentanana ny olona hikajy ny tanàna  misy azy; ny fitadiavana lalam-barotra ho an’ireo asa tanana, sns. « Mila tanora mahay mamorona sy mitady hevi-baovao isika ho tombontsoan’ny fiarahamonina sy ny orinasa. Ilain’ny orinasa ireo tanora ireo ary afaka manangana ny azy manokana ihany koa », hoy Ranaivoson Hans, mpanofana.

Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Tsara izao fanofanana omena ny tanora izao, atao indrindra ho fanampiana ireo vehivavy sahirana.  Afaka manampy betsaka izao ny fampiharana ny fikarohana vitan’izy ireo, hifandraisana bebe kokoa hisian’ny fidiram-bola ho an’ireo vehivavy sahirana ireo. Marihina fa maro amin’ireo mpianatra ireo ny nanao ny asa fikarohany tany amin’ny faritra.

Niara-niombon’antoka tamin’ny Iscam tamin’ny fanohanana ireo tanora ireo ny masoivohon’i Norvezy, ny Onudi, ary ny tetikisa Tsara. Teo koa ny kaominina Antananarivo Renivohitra nisaotra azy ireo. Efa misokatra izao ny fisoratana anarana ho an’ny andiany fahatelo, manana Bac+3, vonona amin’izao fikarohana ho an’ny fanavaozana izao na ny tefibika.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.