Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Analankinina Hopitalibe: niomana hamaky trano, dimy lahy tratra nifoka rongony

Analankinina Hopitalibe: niomana hamaky trano, dimy lahy tratra nifoka rongony

Voasambotry ny polisin’ny Fip tao Analankinina Hopitalibe Toamasina, ny zoma hifoha asabotsy teo, ireo jiolahy dimy tratra teo am-pifohana rongony mialoha ny saika hanaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Araka ny fanazavan’ny polisy, nahazo loharanom-baovao izy ireo fa misy jiolahy dimy lahy efa vonona miaraka amin’ny fitaovana isan-karazany fampiasa amin’ny famakiana trano, saingy mbola eo am-pifohana rongony aloha ry zalahy hakana hery sy tanjaka ary fahasahiana mialoha ny hamaky trano sy hanendaka, tamin’io fotoana io. Tsy niandry ela ny polisin’ny Fip fa nandeha haingana teny amin’ny toerana voatondro misy ireto jiolahy mifoka rongony miomanomana hamaky trano ireto. Vokany, tratra tokoa izy dimy lahy ka tsy afa-nihetsika intsony. Samy tovolahy mpiasa mpitondra posy bisikileta monina sy mipetraka ao amin’ny fokontany Analankinina Hopitalibe Carreaux III ry zalahy ireto. Tratra niaraka tamin’izy ireo koa ny rongony nofohina sy ireo fitaovana fampiasa amin’ny famakiana trano.

Tratran’ny polisy koa ireo mpirahalahy nangalatra bisikileta tao Tanambe Nosy Be, ny zoma teo. Nitady asa tamina tokantrano iray ao an-toerana ny iray amin’izy roa lahy, saingy tsy nitondra taratasy avy amin’ny fokontany misy azy izy ka nindrana ny bisikiletan’ireo handray mpampiasa hakana izany fanamarinam-ponenana izany any Toamasina. Nanjavona tampoka niaraka tamin’ilay bisikileta anefa izy, kanjo efa novain’ilay rahalahin’ity mpangalatra ny lokon’ilay bisikileta.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.