Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

CHRR Hopitaly Atsimo: zaza 44 tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika

CHRR Hopitaly Atsimo: zaza 44 tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika

Tao anatin’ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona ity, 44 ny isan’ny zaza tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika, miseho amin’ny alalan’ny alofisaka sy alobotry ka raisina an-tanana ao amin’ny CHRR hopitaly Atsimo, Antsirabe I, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao amin’ny Creni, Rahantaniaina Josiane, omaly teo Antsirabe. Azo ambara fa nihena ny taha raha mitaha tamin’ny taona 2016 ( nahatratra 171 ny zaza nokarakaraina) sy tamin’ny taon-dasa141. Manana toeram-pandraisana ny ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo (Crenas) avokoa ny CSB 43, mandrafitra ny distrikan’Antsirabe I sy II ka voaray ara-potoana  ny zaza voatily eny anivon’ny fokontany. Amin’ny zaza 44 niditra teny amin’ny hopitaly, 90% voan’ny alofisaka, 10% tratran’ny alobotry. Enim-bolana ka hatramin’ny 5 taona ny zaza notsaboina, mandritra ny sivy andro. Ronono manokana sy fanafody sady sakafo ( avy amin’ny Uncef) miaraka no omena ny zaza ka manaraka dingana telo. Alefa manohy ny fitsaboana eny anivon’ny Crenas eny amin’ny CSB ny zaza rehefa tafavoaka ny hopitaly. Mandritra ny fijanonany eo amin’ny hopitaly, ampianarina mikarakara sakafo ara-pahasalamana sy sahaza ny zaza ny reny rehetra amin’ny vokatra misy eo an-toerana. Anisan’ny manana taha ambony amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny faritra Vakinankaratra , 65% na betsaka aza ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana ao aminy. « Anisan’ny asa ataon’ny mpanentana eny ifotony ny mampianatra ny vahoaka hanovaova ny foto-tsakafo sy ny laoka, toy ny eny amin’ny toby PNNC Seecaline », hoy Raveloharison Ambinintsoa (ONN).

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.