
Higadona an-tanindrazana, ny talata 10 jolay izao. Tafapetraka amin’ny toerany maha kardinaly azy ny arsevekan’i Toamasina, ny Mgr Tsarahazana Desiré. Notanterahina, omaly tao amin’ny kianjan’ny Md Piera ao Vatikana ny Sorona masina nanosorana azy sy ireo kardinaly 13 hafa niaraka aminy. Nasalotra azy ireo ny lamba volonondry ahitana sary lakroa, maneho ny maha mpiandry ondry. Nialohavan’ny fametraha’ny papa François ilay satroka sy ny peratra izany, afakomaly. “Tia ny firenentsika ny ray masina ka afaka mirehareha isika na mahantra aza. Misy lanjany eo amin’izao tontolo izao sy eto anivon’ny fiketrahana masina i Madagasikara”, hoy ny teny fohy nataon’ny ny Mgr Tsarahazana Desiré taorian’ny fanosorana azy ho kardinaly. Anisan’ny nanotrona azy tany an-toerana ireo mpikambana sasany eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem), nahitana ny Mgr Razanakolona Odon.
Hitarika sorona masina etsy Antanimena
Higadona an-tanindrazana, ny talata heriny izao eny Ivato, ny tenany sy ireo delegasiona miaraka aminy. Hotsenaina amin’ny fomba manetriketrika izany ary anentanan’ny fiangonana ireo rehetra eny an-dalana, hatreny amin’ny tranon’ny “Nonce apostolique” eny Ivandry, handraisana azy. Hitohy amin’ny sorona Masina voalohany hotarihiny etsy amin’ny Ekar Antanimena, ny alarobia amin’ny 5 ora hariva, izany. Handraisana sy hiarahabana azy amin’ny fomba ofisialy. Hihazo ny any Toamasina ny 12 jolay ary hitarika lamesa indray koa any an-toerana ny 15 jolay izao.
Tsiahivina fa notendren’ny papa François ho kardinaly ny pantekoty teo ny Mgr Tsarahazana Desiré. Efa an-taony maro rahateo tsy nanana kardinaly intsony isika eto Madagasikara…
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.